JAMES
Chapter 2
Jame | Mg1865 | 2:1 | Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’ olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ ny voninahitra. | |
Jame | Mg1865 | 2:2 | Fa raha misy olona miditra eo amin’ ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, | |
Jame | Mg1865 | 2:3 | koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin’ ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin’ ny fitoeran-tongotro,― | |
Jame | Mg1865 | 2:5 | Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy? | |
Jame | Mg1865 | 2:6 | Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin’ ny fitsarana? | |
Jame | Mg1865 | 2:8 | Kanefa raha mankatò ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masìna hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, dia manao tsara ianareo. | |
Jame | Mg1865 | 2:9 | Fa raha mizaha tavan’ olona kosa ianareo, dia manota ka helohin’ ny lalàna ho mpanota. | |
Jame | Mg1865 | 2:10 | Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin’ ny iray loha dia meloka amin’ izy rehetra. | |
Jame | Mg1865 | 2:11 | Fa Ilay nanao hoe: “Aza mijangajanga” no nanao hoe koa: “Aza mamono olona”. Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. | |
Jame | Mg1865 | 2:12 | Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain’ ny lalàn’ ny fahafahana. | |
Jame | Mg1865 | 2:13 | Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’ izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana. | |
Jame | Mg1865 | 2:14 | Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? | |
Jame | Mg1865 | 2:15 | Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’ andro, | |
Jame | Mg1865 | 2:16 | ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ ny tenany, inona moa no soa azo amin’ izany? | |
Jame | Mg1865 | 2:18 | Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ ny asako. | |
Jame | Mg1865 | 2:19 | Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,― ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. | |
Jame | Mg1865 | 2:21 | Tsy nohamarinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ isaka zanany teo ambonin’ ny alitara? | |
Jame | Mg1865 | 2:22 | Hitanao fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ ny asa; | |
Jame | Mg1865 | 2:23 | ary tanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: “Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany”, ary natao hoe “Sakaizan’ Andriamanitra” izy. | |
Jame | Mg1865 | 2:24 | Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ ny asa ny olona, fa tsy amin’ ny finoana ihany. | |
Jame | Mg1865 | 2:25 | Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ ny asa va izy tamin’ ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ ny lalan-kafa? | |