MATTHEW
Chapter 3
Matt | Mg1865 | 3:1 | Ary tamin’ izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr’ i Jodia nanao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 3:3 | Fa izy no ilay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. | |
Matt | Mg1865 | 3:4 | Ary ny fitafian’ izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. | |
Matt | Mg1865 | 3:5 | Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ ny tany rehetra amoron’ i i Jordana dia nivoaka nankany amin’ i Jaona, | |
Matt | Mg1865 | 3:7 | Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? | |
Matt | Mg1865 | 3:9 | ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto. | |
Matt | Mg1865 | 3:10 | Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. | |
Matt | Mg1865 | 3:11 | Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo; | |
Matt | Mg1865 | 3:12 | eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy mety maty. | |
Matt | Mg1865 | 3:13 | Ary tamin’ izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’ i Jordana, dia nanatona an’ i Jaona Izy mba hataony batisa. | |
Matt | Mg1865 | 3:14 | Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? | |
Matt | Mg1865 | 3:15 | Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy. | |
Matt | Mg1865 | 3:16 | Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’ Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. | |