MATTHEW
Chapter 7
Matt | Mg1865 | 7:2 | Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. | |
Matt | Mg1865 | 7:3 | Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ ny masonao dia tsy mba tsaroanao? | |
Matt | Mg1865 | 7:4 | Ary ahoana no hilazanao amin’ ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ ny masonao? | |
Matt | Mg1865 | 7:5 | Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ ny masonao, ary amin’ izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ ny mason’ ny rahalahinao. | |
Matt | Mg1865 | 7:6 | Aza omena ny alika izay masìna; ary aza atsipy eo anoloan’ ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. | |
Matt | Mg1865 | 7:7 | Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. | |
Matt | Mg1865 | 7:8 | Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. | |
Matt | Mg1865 | 7:11 | Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’ izay mangataka aminy? | |
Matt | Mg1865 | 7:12 | Koa amin’ izany na inona na inona tianareo hataon’ ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. | |
Matt | Mg1865 | 7:13 | Midìra amin’ ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. | |
Matt | Mg1865 | 7:14 | Fa èty ny vavahady, ary terỳ ny lalana izay mankany amin’ ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. | |
Matt | Mg1865 | 7:15 | Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. | |
Matt | Mg1865 | 7:16 | Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ ny songosongo? | |
Matt | Mg1865 | 7:17 | Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. | |
Matt | Mg1865 | 7:18 | Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. | |
Matt | Mg1865 | 7:21 | Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra. | |
Matt | Mg1865 | 7:22 | Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay? | |
Matt | Mg1865 | 7:23 | Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. | |
Matt | Mg1865 | 7:24 | Koa amin’ izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny vatolampy. | |
Matt | Mg1865 | 7:25 | Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ ny vatolampy. | |
Matt | Mg1865 | 7:26 | Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ ny fasika. | |
Matt | Mg1865 | 7:27 | Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany. | |
Matt | Mg1865 | 7:28 | Ary nony efa vitan’ i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, | |