MATTHEW
Chapter 16
Matt | Mg1865 | 16:1 | Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra. | |
Matt | Mg1865 | 16:2 | Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra. | |
Matt | Mg1865 | 16:3 | Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo. | |
Matt | Mg1865 | 16:4 | Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. | |
Matt | Mg1865 | 16:6 | Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo. | |
Matt | Mg1865 | 16:8 | Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo? | |
Matt | Mg1865 | 16:9 | Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo? | |
Matt | Mg1865 | 16:11 | Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo. | |
Matt | Mg1865 | 16:12 | Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ ny fampianaran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo. | |
Matt | Mg1865 | 16:13 | Ary rehefa tonga tany amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona? | |
Matt | Mg1865 | 16:14 | Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany. | |
Matt | Mg1865 | 16:16 | Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona. | |
Matt | Mg1865 | 16:17 | Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. | |
Matt | Mg1865 | 16:18 | Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. | |
Matt | Mg1865 | 16:19 | Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra. | |
Matt | Mg1865 | 16:20 | Ary tamin’ izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy. | |
Matt | Mg1865 | 16:21 | Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo. | |
Matt | Mg1865 | 16:22 | Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany! | |
Matt | Mg1865 | 16:23 | Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona. | |
Matt | Mg1865 | 16:24 | Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. | |
Matt | Mg1865 | 16:25 | Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. | |
Matt | Mg1865 | 16:26 | Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy? | |
Matt | Mg1865 | 16:27 | Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony. | |