Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next
Chapter 23
Matt Mg1865 23:1  Ary tamin’ izany Jesosy dia niteny tamin’ ny vahoaka sy tamin’ ny mpianany ka nanao hoe:
Matt Mg1865 23:2  Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
Matt Mg1865 23:3  koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
Matt Mg1865 23:4  Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.
Matt Mg1865 23:5  Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
Matt Mg1865 23:6  Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga
Matt Mg1865 23:7  sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!
Matt Mg1865 23:8  Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
Matt Mg1865 23:9  Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
Matt Mg1865 23:10  Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
Matt Mg1865 23:12  Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
Matt Mg1865 23:13  Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
Matt Mg1865 23:14  (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
Matt Mg1865 23:15  Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
Matt Mg1865 23:16  Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly, dia haningo-tena izy.
Matt Mg1865 23:17  Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
Matt Mg1865 23:18  Ary koa: Raha misy mianiana amin’ ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
Matt Mg1865 23:19  Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
Matt Mg1865 23:20  Koa amin’ izany, izay mianiana amin’ ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
Matt Mg1865 23:21  Ary izay mianiana amin’ ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’ izay mitoetra ao anatiny.
Matt Mg1865 23:22  Ary izay mianiana amin’ ny lanitra dia mianiana amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mbamin’ izay mipetraka eo amboniny.
Matt Mg1865 23:23  Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Matt Mg1865 23:24  Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
Matt Mg1865 23:25  Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
Matt Mg1865 23:26  Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
Matt Mg1865 23:27  Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.
Matt Mg1865 23:28  Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
Matt Mg1865 23:29  Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny olona marina,
Matt Mg1865 23:30  ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
Matt Mg1865 23:31  Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.
Matt Mg1865 23:32  Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ ny razanareo.
Matt Mg1865 23:33  Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo?
Matt Mg1865 23:34  Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,―
Matt Mg1865 23:35  mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
Matt Mg1865 23:36  Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
Matt Mg1865 23:37  Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
Matt Mg1865 23:39  Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.