MATTHEW
Chapter 15
Matt | Mg1865 | 15:1 | Dia nankeo amin’ i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 15:2 | Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. | |
Matt | Mg1865 | 15:3 | Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? | |
Matt | Mg1865 | 15:4 | Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa. | |
Matt | Mg1865 | 15:5 | Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an’ Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. | |
Matt | Mg1865 | 15:9 | Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy. | |
Matt | Mg1865 | 15:10 | Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara: | |
Matt | Mg1865 | 15:11 | tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona. | |
Matt | Mg1865 | 15:12 | Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany? | |
Matt | Mg1865 | 15:13 | Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. | |
Matt | Mg1865 | 15:14 | Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa. | |
Matt | Mg1865 | 15:15 | Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr’ izany fanoharana izany. | |
Matt | Mg1865 | 15:17 | Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ ny fivoahana? | |
Matt | Mg1865 | 15:18 | Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. | |
Matt | Mg1865 | 15:19 | Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy; | |
Matt | Mg1865 | 15:20 | izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona. | |
Matt | Mg1865 | 15:22 | Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra. | |
Matt | Mg1865 | 15:23 | Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. | |
Matt | Mg1865 | 15:24 | Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely. | |
Matt | Mg1865 | 15:25 | Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. | |
Matt | Mg1865 | 15:26 | Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely. | |
Matt | Mg1865 | 15:27 | Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany. | |
Matt | Mg1865 | 15:28 | Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin’ izay ora izay. | |
Matt | Mg1865 | 15:29 | Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo; | |
Matt | Mg1865 | 15:30 | ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ ny tongotr’ i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy; | |
Matt | Mg1865 | 15:31 | ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely izy. | |
Matt | Mg1865 | 15:32 | Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy. | |
Matt | Mg1865 | 15:33 | Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao! | |
Matt | Mg1865 | 15:34 | Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana. | |
Matt | Mg1865 | 15:36 | Dia nandray ny mofo fito mbamin’ ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka. | |
Matt | Mg1865 | 15:37 | Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito. | |