MATTHEW
Chapter 14
Matt | Mg1865 | 14:2 | ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany. | |
Matt | Mg1865 | 14:3 | Fa Heroda efa nisambotra an’ i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’ i Herodiasy, vadin’ i Filipo rahalahiny. | |
Matt | Mg1865 | 14:5 | Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ ireo ho mpaminany Jaona. | |
Matt | Mg1865 | 14:6 | Fa nony tonga ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahan’ i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’ i Herodiasy ka nahafaly an’ i Heroda. | |
Matt | Mg1865 | 14:8 | Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa. | |
Matt | Mg1865 | 14:9 | Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany. | |
Matt | Mg1865 | 14:11 | Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny. | |
Matt | Mg1865 | 14:12 | Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy. | |
Matt | Mg1865 | 14:13 | Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy. | |
Matt | Mg1865 | 14:14 | Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny. | |
Matt | Mg1865 | 14:15 | Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ ny vohitra hividy hanina ho azy. | |
Matt | Mg1865 | 14:17 | Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa. | |
Matt | Mg1865 | 14:19 | Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka. | |
Matt | Mg1865 | 14:20 | Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo. | |
Matt | Mg1865 | 14:22 | Ary niaraka tamin’ izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka. | |
Matt | Mg1865 | 14:23 | Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy. | |
Matt | Mg1865 | 14:24 | Ary efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely tamin’ izay, dia natopatopan’ ny alon-drano izy, fa notohain’ ny rivotra. | |
Matt | Mg1865 | 14:25 | Ary tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny amin’ ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ ny ranomasina. | |
Matt | Mg1865 | 14:26 | Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra. | |
Matt | Mg1865 | 14:27 | Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’ izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. | |
Matt | Mg1865 | 14:28 | Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho. | |
Matt | Mg1865 | 14:29 | Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ ny rano hanatona an’ i Jesosy. | |
Matt | Mg1865 | 14:30 | Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho! | |
Matt | Mg1865 | 14:31 | Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? | |
Matt | Mg1865 | 14:33 | Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao. | |
Matt | Mg1865 | 14:35 | Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy. | |