MATTHEW
Chapter 11
Matt | Mg1865 | 11:1 | Ary rehefa vitan’ i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ ny olona. | |
Matt | Mg1865 | 11:2 | Ary rehefa ren’ i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’ i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy | |
Matt | Mg1865 | 11:4 | Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin’ i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: | |
Matt | Mg1865 | 11:5 | Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. | |
Matt | Mg1865 | 11:7 | Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va? | |
Matt | Mg1865 | 11:8 | Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ ny mpanjaka. | |
Matt | Mg1865 | 11:9 | Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. | |
Matt | Mg1865 | 11:10 | Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao. | |
Matt | Mg1865 | 11:11 | Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia lehibe noho izy. | |
Matt | Mg1865 | 11:12 | Ary hatramin’ ny andron’ i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny. | |
Matt | Mg1865 | 11:16 | Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 11:17 | Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo. | |
Matt | Mg1865 | 11:19 | Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany. | |
Matt | Mg1865 | 11:20 | Ary tamin’ izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 11:21 | Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. | |
Matt | Mg1865 | 11:22 | Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. | |
Matt | Mg1865 | 11:23 | Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. | |
Matt | Mg1865 | 11:24 | Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminao. | |
Matt | Mg1865 | 11:25 | Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika. | |
Matt | Mg1865 | 11:27 | Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy. | |
Matt | Mg1865 | 11:28 | Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. | |
Matt | Mg1865 | 11:29 | Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo. | |