MATTHEW
Chapter 17
Matt | Mg1865 | 17:1 | Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. | |
Matt | Mg1865 | 17:2 | Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. | |
Matt | Mg1865 | 17:4 | Dia niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia. | |
Matt | Mg1865 | 17:5 | Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. | |
Matt | Mg1865 | 17:7 | Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra. | |
Matt | Mg1865 | 17:9 | Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty. | |
Matt | Mg1865 | 17:10 | Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha? | |
Matt | Mg1865 | 17:12 | Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’ olona. | |
Matt | Mg1865 | 17:14 | Ary rehefa tonga teo amin’ ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’ i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 17:15 | Tompoko, mamindrà fo amin’ ny zanako-lahy, fa mararin’ ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ ny afo, ary matetika ao amin’ ny rano. | |
Matt | Mg1865 | 17:17 | Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy. | |
Matt | Mg1865 | 17:18 | Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’ izay ora izay. | |
Matt | Mg1865 | 17:19 | Dia nankao amin’ i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? | |
Matt | Mg1865 | 17:20 | Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. | |
Matt | Mg1865 | 17:22 | Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olona | |
Matt | Mg1865 | 17:23 | ka hovonoiny, nefa amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo. | |
Matt | Mg1865 | 17:24 | Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va? | |
Matt | Mg1865 | 17:25 | Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa? | |
Matt | Mg1865 | 17:26 | Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka. | |