MATTHEW
Chapter 27
Matt | Mg1865 | 27:1 | Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy. | |
Matt | Mg1865 | 27:3 | Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona | |
Matt | Mg1865 | 27:4 | ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao. | |
Matt | Mg1865 | 27:5 | Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty. | |
Matt | Mg1865 | 27:6 | Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà. | |
Matt | Mg1865 | 27:7 | Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny. | |
Matt | Mg1865 | 27:9 | Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely, | |
Matt | Mg1865 | 27:10 | ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy. | |
Matt | Mg1865 | 27:11 | Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao. | |
Matt | Mg1865 | 27:12 | Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory. | |
Matt | Mg1865 | 27:14 | Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora. | |
Matt | Mg1865 | 27:15 | Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany. | |
Matt | Mg1865 | 27:17 | Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy? | |
Matt | Mg1865 | 27:19 | Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina. | |
Matt | Mg1865 | 27:20 | Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy. | |
Matt | Mg1865 | 27:21 | Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy. | |
Matt | Mg1865 | 27:22 | Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy. | |
Matt | Mg1865 | 27:23 | Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy! | |
Matt | Mg1865 | 27:24 | Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo. | |
Matt | Mg1865 | 27:25 | Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay. | |
Matt | Mg1865 | 27:26 | Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana. | |
Matt | Mg1865 | 27:27 | Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy. | |
Matt | Mg1865 | 27:29 | Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! | |
Matt | Mg1865 | 27:31 | Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. | |
Matt | Mg1865 | 27:32 | Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy. | |
Matt | Mg1865 | 27:34 | dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro. | |
Matt | Mg1865 | 27:35 | Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany. | |
Matt | Mg1865 | 27:37 | Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy. | |
Matt | Mg1865 | 27:38 | Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany. | |
Matt | Mg1865 | 27:40 | ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana. | |
Matt | Mg1865 | 27:41 | Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe: | |
Matt | Mg1865 | 27:42 | Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay; | |
Matt | Mg1865 | 27:43 | natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho. | |
Matt | Mg1865 | 27:44 | Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana. | |
Matt | Mg1865 | 27:45 | Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. | |
Matt | Mg1865 | 27:46 | Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?. | |
Matt | Mg1865 | 27:47 | Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio. | |
Matt | Mg1865 | 27:48 | Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy. | |
Matt | Mg1865 | 27:49 | Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia. | |
Matt | Mg1865 | 27:51 | Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; | |
Matt | Mg1865 | 27:52 | ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana, | |
Matt | Mg1865 | 27:53 | ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro. | |
Matt | Mg1865 | 27:54 | Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io. | |
Matt | Mg1865 | 27:55 | Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy. | |
Matt | Mg1865 | 27:56 | Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio. | |
Matt | Mg1865 | 27:57 | Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy. | |
Matt | Mg1865 | 27:58 | Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany. | |
Matt | Mg1865 | 27:60 | dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha. | |
Matt | Mg1865 | 27:61 | Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana. | |
Matt | Mg1865 | 27:62 | Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo | |
Matt | Mg1865 | 27:63 | ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho. | |
Matt | Mg1865 | 27:64 | Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. | |
Matt | Mg1865 | 27:65 | Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana. | |