Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next
Chapter 1
Matt Mg1865 1:1  Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.
Matt Mg1865 1:2  Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;
Matt Mg1865 1:3  ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;
Matt Mg1865 1:4  ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
Matt Mg1865 1:5  ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;
Matt Mg1865 1:6  ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;
Matt Mg1865 1:7  ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;
Matt Mg1865 1:8  ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;
Matt Mg1865 1:9  ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;
Matt Mg1865 1:10  ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;
Matt Mg1865 1:11  ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.
Matt Mg1865 1:12  Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;
Matt Mg1865 1:13  ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;
Matt Mg1865 1:14  ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;
Matt Mg1865 1:15  ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;
Matt Mg1865 1:16  ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.
Matt Mg1865 1:17  Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
Matt Mg1865 1:18  Ary ny nahaterahan’ i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’ i Jesosy, ho fofombadin’ i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ ny Fanahy Masìna izy.
Matt Mg1865 1:19  Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
Matt Mg1865 1:20  Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy tamin’ ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’ i Davida, aza matahotra hampakatra an’ i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ ny Fanahy Masìna,
Matt Mg1865 1:21  ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ ny fahotany.
Matt Mg1865 1:22  Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ ny Tompo ny mpaminany hoe:
Matt Mg1865 1:23  Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
Matt Mg1865 1:24  Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian’ ny anjelin’ ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
Matt Mg1865 1:25  Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.