Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 28
Matt Mg1865 28:1  Ary tamin’ ny alin’ ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
Matt Mg1865 28:2  Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
Matt Mg1865 28:3  Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala;
Matt Mg1865 28:4  ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
Matt Mg1865 28:5  Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.
Matt Mg1865 28:6  Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo.
Matt Mg1865 28:7  Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
Matt Mg1865 28:8  Dia niala faingana tamin’ ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra.
Matt Mg1865 28:9  Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
Matt Mg1865 28:10  Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
Matt Mg1865 28:11  Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin’ ny lohan’ ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
Matt Mg1865 28:12  Ary rehefa niangona izy mbamin’ ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
Matt Mg1865 28:13  ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay;
Matt Mg1865 28:14  ary raha misy milaza izany amin’ ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
Matt Mg1865 28:15  Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ ny Jiosy mandraka androany.
Matt Mg1865 28:16  Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesosy halehany.
Matt Mg1865 28:17  Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
Matt Mg1865 28:18  Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Matt Mg1865 28:19  koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Matt Mg1865 28:20  sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.