Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next
Chapter 24
Matt Mg1865 24:1  Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
Matt Mg1865 24:2  Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
Matt Mg1865 24:3  Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao.
Matt Mg1865 24:4  Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
Matt Mg1865 24:5  Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
Matt Mg1865 24:6  Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
Matt Mg1865 24:7  Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ ny tany samy hafa.
Matt Mg1865 24:8  Fa izany rehetra izany no fiandohan’ ny fahoriana.
Matt Mg1865 24:9  Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
Matt Mg1865 24:10  Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
Matt Mg1865 24:11  Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
Matt Mg1865 24:12  Ary noho ny haben’ ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro.
Matt Mg1865 24:13  Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
Matt Mg1865 24:14  Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
Matt Mg1865 24:15  Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masìna ny fahavetavetan’ ny fandravana, izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany),
Matt Mg1865 24:16  dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
Matt Mg1865 24:17  ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
Matt Mg1865 24:18  ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
Matt Mg1865 24:19  Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mampinono amin’ ireo andro ireo!
Matt Mg1865 24:20  Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata no handosiranareo.
Matt Mg1865 24:21  Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
Matt Mg1865 24:22  Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
Matt Mg1865 24:23  Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, y Kristy, na: Indro, ar; aza mino ianareo.
Matt Mg1865 24:24  Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
Matt Mg1865 24:26  Ary amin’ izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino.
Matt Mg1865 24:27  Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Matt Mg1865 24:28  Fa izay itoeran’ ny faty, dia any no hiangonan’ ny voromahery.
Matt Mg1865 24:29  Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ ny lanitra hohozongozonina.
Matt Mg1865 24:30  Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy.
Matt Mg1865 24:31  Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra.
Matt Mg1865 24:32  Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
Matt Mg1865 24:33  Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.
Matt Mg1865 24:34  Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Matt Mg1865 24:35  Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Matt Mg1865 24:36  Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.
Matt Mg1865 24:37  Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Matt Mg1865 24:38  Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara,
Matt Mg1865 24:39  ary tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Matt Mg1865 24:40  Ary amin’ izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Matt Mg1865 24:41  Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Matt Mg1865 24:42  Koa amin’ izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny Tomponareo.
Matt Mg1865 24:43  Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ ny alina izay hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
Matt Mg1865 24:44  Koa miomana kosa ianareo; fa amin’ izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ ny Zanak’ olona.
Matt Mg1865 24:45  Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ ny fotoana?
Matt Mg1865 24:46  Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
Matt Mg1865 24:47  Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
Matt Mg1865 24:48  Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
Matt Mg1865 24:49  ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo,
Matt Mg1865 24:50  dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany,
Matt Mg1865 24:51  dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.