Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
Matt Mg1865 20:1  Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Matt Mg1865 20:2  Ary rehefa nifanekeny tamin’ ny mpiasa fa ho denaria isan’ andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ ny tanim-boalobony ireny.
Matt Mg1865 20:3  Ary nivoaka tamin’ ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,
Matt Mg1865 20:4  ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin’ ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.
Matt Mg1865 20:5  Ary nivoaka tamin’ ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
Matt Mg1865 20:6  Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?
Matt Mg1865 20:7  Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ ny tanim-boaloboka.
Matt Mg1865 20:8  Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka tamin’ ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin’ ireo taoriana ka vao hatramin’ ireo voalohany.
Matt Mg1865 20:9  Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.
Matt Mg1865 20:10  Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.
Matt Mg1865 20:11  Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ ny tompon-trano ka nanao hoe:
Matt Mg1865 20:12  Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.
Matt Mg1865 20:13  Fa izy namaly ka nanao tamin’ ny anankiray amin’ ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
Matt Mg1865 20:14  Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
Matt Mg1865 20:15  Tsy mahazo manao izay tiako amin’ ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?
Matt Mg1865 20:16  Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
Matt Mg1865 20:17  Ary Jesosy, nony niakatra ho any Jerosalema, dia naka mangingina ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy ka niteny taminy teny an-dalana hoe:
Matt Mg1865 20:18  Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy
Matt Mg1865 20:19  ka hatolony amin’ ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ ny hazo fijaliana; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
Matt Mg1865 20:20  Ary tamin’ izany dia nanatona an’ i Jesosy ny renin’ ny zanak’ i Zebedio mbamin’ ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
Matt Mg1865 20:21  Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny ankavianao, ao amin’ ny fanjakanao.
Matt Mg1865 20:22  Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin’ ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
Matt Mg1865 20:23  Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ ny Raiko izany no homena.
Matt Mg1865 20:24  Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ izy mirahalahy.
Matt Mg1865 20:25  Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
Matt Mg1865 20:26  Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;
Matt Mg1865 20:27  ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
Matt Mg1865 20:28  Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Matt Mg1865 20:29  Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’ i Jesosy.
Matt Mg1865 20:30  Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!
Matt Mg1865 20:31  Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak’ i Davida ô!
Matt Mg1865 20:32  Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo?
Matt Mg1865 20:33  Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay.
Matt Mg1865 20:34  Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin’ izay izy, dia nanaraka an’ i Jesosy.