Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PHILEMON
Up
1
Chapter 1
Phil Mg1865 1:1  Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
Phil Mg1865 1:2  ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
Phil Mg1865 1:3  ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Phil Mg1865 1:4  Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,
Phil Mg1865 1:5  satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,
Phil Mg1865 1:6  mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
Phil Mg1865 1:7  Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
Phil Mg1865 1:8  Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
Phil Mg1865 1:9  nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
Phil Mg1865 1:10  Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
Phil Mg1865 1:11  ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
Phil Mg1865 1:12  izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;
Phil Mg1865 1:13  saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;
Phil Mg1865 1:14  nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.
Phil Mg1865 1:15  Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
Phil Mg1865 1:16  tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.
Phil Mg1865 1:17  Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
Phil Mg1865 1:18  Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
Phil Mg1865 1:19  izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
Phil Mg1865 1:20  Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
Phil Mg1865 1:21  Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
Phil Mg1865 1:22  Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
Phil Mg1865 1:23  Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,
Phil Mg1865 1:24  sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
Phil Mg1865 1:25  Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.