ROMANS
Chapter 14
Roma | Mg1865 | 14:2 | Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany. | |
Roma | Mg1865 | 14:3 | Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary. | |
Roma | Mg1865 | 14:4 | Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ ny hafa? Amin’ ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. | |
Roma | Mg1865 | 14:5 | Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ ny sainy avy izy. | |
Roma | Mg1865 | 14:6 | Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ ny Tompo, satria misaotra an’ Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ ny Tompo, sady misaotra an’ Andriamanitra koa izy. | |
Roma | Mg1865 | 14:8 | Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany. | |
Roma | Mg1865 | 14:9 | Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy. | |
Roma | Mg1865 | 14:10 | Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra. | |
Roma | Mg1865 | 14:11 | Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’ Andriamanitra. | |
Roma | Mg1865 | 14:13 | Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ ny rahalahy. | |
Roma | Mg1865 | 14:14 | Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany. | |
Roma | Mg1865 | 14:15 | Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. | |
Roma | Mg1865 | 14:17 | Fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy amin’ ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ ny Fanahy Masìna. | |
Roma | Mg1865 | 14:18 | Fa izay manompo an’ i Kristy amin’ izany zavatra izany no sitrak’ Andriamanitra sy eken’ ny olona fa tsara. | |
Roma | Mg1865 | 14:19 | Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana. | |
Roma | Mg1865 | 14:20 | Aza izay hanina no andravanao ny asan’ Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ ny olona izay mihinana amin’ ny fahatafintohinana. | |
Roma | Mg1865 | 14:21 | Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao. | |
Roma | Mg1865 | 14:22 | Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny. | |