DEUTERONOMY
Chapter 18
Deut | Mg1865 | 18:1 | Ny Levita mpisorona, dia ny firenen’ i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ ny Isiraely; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah sy ny anjaran’ i Jehovah no ho fihinany. | |
Deut | Mg1865 | 18:2 | Fa tsy hanan-dova eo amin’ ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy. | |
Deut | Mg1865 | 18:3 | Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny; | |
Deut | Mg1865 | 18:4 | ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ ny volon’ ondrinao no homenao azy. | |
Deut | Mg1865 | 18:5 | Fa izy sy ny taranany no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin’ ny anaran’ i Jehovah. | |
Deut | Mg1865 | 18:6 | Ary raha misy Levita miala amin’ ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin’ ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian’ ny fony ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, | |
Deut | Mg1865 | 18:7 | ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan’ i Jehovah, | |
Deut | Mg1865 | 18:8 | dia anjara mitovy amin’ ny an’ ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin’ ny azony tamin-drainy. | |
Deut | Mg1865 | 18:9 | REHEFA tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ ireo firenena ireo. | |
Deut | Mg1865 | 18:10 | Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, | |
Deut | Mg1865 | 18:11 | na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ ny maty. | |
Deut | Mg1865 | 18:12 | Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. | |
Deut | Mg1865 | 18:14 | Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan’ i Jehovah Andriamanitrao hanao izany. | |
Deut | Mg1865 | 18:15 | Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo; | |
Deut | Mg1865 | 18:16 | araka izay rehetra nangatahinao tamin’ i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin’ ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. | |
Deut | Mg1865 | 18:18 | Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. | |
Deut | Mg1865 | 18:19 | Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. | |
Deut | Mg1865 | 18:20 | Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty. | |
Deut | Mg1865 | 18:21 | Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’ i Jehovah? | |