DEUTERONOMY
Chapter 24
Deut | Mg1865 | 24:1 | Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony. | |
Deut | Mg1865 | 24:2 | Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa. | |
Deut | Mg1865 | 24:3 | Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana: | |
Deut | Mg1865 | 24:4 | ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao. | |
Deut | Mg1865 | 24:5 | Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny. | |
Deut | Mg1865 | 24:6 | Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany. | |
Deut | Mg1865 | 24:7 | Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. | |
Deut | Mg1865 | 24:8 | Mitandrema ny amin’ ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron’ ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina. | |
Deut | Mg1865 | 24:9 | Tsarovy izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Miriama teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta. | |
Deut | Mg1865 | 24:10 | Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. | |
Deut | Mg1865 | 24:11 | Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano. | |
Deut | Mg1865 | 24:13 | fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao izany. | |
Deut | Mg1865 | 24:14 | Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao. | |
Deut | Mg1865 | 24:15 | Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin’ ny fony; fandrao hitaraina amin’ i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany. | |
Deut | Mg1865 | 24:16 | Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ihany ny olona. | |
Deut | Mg1865 | 24:17 | Aza manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ ny mpitondratena ho tsatòka. | |
Deut | Mg1865 | 24:18 | Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany. | |
Deut | Mg1865 | 24:19 | Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asa rehetra ataon’ ny tananao. | |
Deut | Mg1865 | 24:20 | Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. | |
Deut | Mg1865 | 24:21 | Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. | |