Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GALATIANS
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 3
Gala Mg1865 3:1  Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana?
Gala Mg1865 3:2  Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?
Gala Mg1865 3:3  Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ ny nofo va ankehitriny?
Gala Mg1865 3:4  Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
Gala Mg1865 3:5  Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana ny finoana?
Gala Mg1865 3:6  Dia tahaka an’ i Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany.
Gala Mg1865 3:7  Koa fantaro fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama.
Gala Mg1865 3:8  Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;
Gala Mg1865 3:9  ka dia izay amin’ ny finoana notahina mbamin’ i Abrahama mpino.
Gala Mg1865 3:10  Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna.
Gala Mg1865 3:11  Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
Gala Mg1865 3:12  Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.
Gala Mg1865 3:13  Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
Gala Mg1865 3:14  mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy.
Gala Mg1865 3:15  Ry rahalahy ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― na dia ny fanekena ataon’ olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
Gala Mg1865 3:16  Ary tamin’ i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ ny taranakao, dia Kristy izany.
Gala Mg1865 3:17  Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’ Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
Gala Mg1865 3:18  Fa raha avy amin’ ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ ny teny fikasana intsony; nefa tamin’ i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan’ Andriamanitra azy.
Gala Mg1865 3:19  Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’ anjely teo an-tànan’ ny mpanalalana izany.
Gala Mg1865 3:20  Ary ny mpanalalana dia tsy an’ ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
Gala Mg1865 3:21  Ka moa manohitra ny teny fikasan’ Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ ny lalàna tokoa ny fahamarinana
Gala Mg1865 3:22  Fa ny Soratra Masìna efa nanidy azy rehetra teo amin’ ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
Gala Mg1865 3:23  Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
Gala Mg1865 3:24  Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’ i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
Gala Mg1865 3:25  Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’ izay mpitaiza intsony isika.
Gala Mg1865 3:26  Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.
Gala Mg1865 3:27  Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.
Gala Mg1865 3:28  Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.
Gala Mg1865 3:29  Fa raha an’ i Kristy ianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.