Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next
Chapter 13
Gene Mg1865 13:1  Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ ny tany atsimo.
Gene Mg1865 13:2  Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman’ ondry sy volafotsy ary volamena.
Gene Mg1865 13:3  Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin’ ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ ny lainy tamin’ ny voalohany, teo anelanelan’ i Betela sy Ay,
Gene Mg1865 13:4  dia teo amin’ ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’ i Jehovah teo Abrama.
Gene Mg1865 13:5  Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’ i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
Gene Mg1865 13:6  Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
Gene Mg1865 13:7  Dia niady ny mpiandry ombin’ i Abrama sy ny mpiandry ombin’ i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
Gene Mg1865 13:8  Ary hoy Abrama tamin’ i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
Gene Mg1865 13:9  Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
Gene Mg1865 13:10  Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’ i Jordana hatrany akaikin’ i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ ny nandravan’ i Jehovah an’ i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’ i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Gene Mg1865 13:11  Dia nofidin’ i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’ i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
Gene Mg1865 13:12  Ary Abrama nonina tao amin’ ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ ny tany amoron’ i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
Gene Mg1865 13:13  Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’ i Jehovah.
Gene Mg1865 13:14  Ary Jehovah niteny tamin’ i Abrama taorian’ ny nisarahan’ i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
Gene Mg1865 13:15  fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
Gene Mg1865 13:16  Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Gene Mg1865 13:17  Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ ny lavany sy any amin’ ny sakany; fa homeko anao izy.
Gene Mg1865 13:18  Ary Abrama nifindrafindra toby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.