GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 35
Gene | Mg1865 | 35:1 | Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao. | |
Gene | Mg1865 | 35:2 | Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; | |
Gene | Mg1865 | 35:3 | ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako. | |
Gene | Mg1865 | 35:4 | Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo. | |
Gene | Mg1865 | 35:5 | Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy. | |
Gene | Mg1865 | 35:6 | Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin’ ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. | |
Gene | Mg1865 | 35:7 | Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran’ izany tany izany; fa teo no nisehoan’ Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ ny rahalahiny. | |
Gene | Mg1865 | 35:8 | Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr’ i Betela, teo ambanin’ ny hazo ôka; ary ny anaran’ io dia nataony hoe Alona-bakota. | |
Gene | Mg1865 | 35:9 | Ary Andriamanitra niseho indray tamin’ i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. | |
Gene | Mg1865 | 35:10 | Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany. | |
Gene | Mg1865 | 35:11 | Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao; | |
Gene | Mg1865 | 35:12 | ary ny tany izay nomeko an’ i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. | |
Gene | Mg1865 | 35:14 | Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. | |
Gene | Mg1865 | 35:15 | Ary ny anaran’ ny tany izay niresahan’ Andriamanitra taminy dia nataon’ i Jakoba hoe Betela. | |
Gene | Mg1865 | 35:16 | Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. | |
Gene | Mg1865 | 35:17 | Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao. | |
Gene | Mg1865 | 35:18 | Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. | |
Gene | Mg1865 | 35:20 | Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin’ ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin’ ny fasan-dRahely mandraka androany. | |
Gene | Mg1865 | 35:22 | Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely. | |
Gene | Mg1865 | 35:23 | Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; | |
Gene | Mg1865 | 35:26 | ary ny zanak’ i Zilpa, ankizivavin’ i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’ i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. | |
Gene | Mg1865 | 35:27 | Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka. | |