Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 21
Gene Mg1865 21:1  Ary Jehovah namangy an’ i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon’ i Jehovah tamin’ i Saraha araka ilay efa noteneniny.
Gene Mg1865 21:2  Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
Gene Mg1865 21:3  Ary ny anaran’ ny zanany izay teraka, ilay naterak’ i Saraha taminy dia nataon’ i Abrahama hoe Isaka.
Gene Mg1865 21:4  Dia noforan’ i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian’ Andriamanitra azy.
Gene Mg1865 21:5  Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an’ i Isaka zanany izy.
Gene Mg1865 21:6  Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’ Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
Gene Mg1865 21:7  Ary hoy koa izy: Nampoizin’ iza akory moa no hilaza amin’ i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
Gene Mg1865 21:8  Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin’ ny andro nanotazana an’ Isaka.
Gene Mg1865 21:9  Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak’ i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin’ i Abrahama.
Gene Mg1865 21:10  Dia hoy izy tamin’ i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’ io andevovavy io tsy hiray lova amin’ ny zanako, dia amin’ Isaka.
Gene Mg1865 21:11  Fa ratsy teo imason’ i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin’ ny zanany.
Gene Mg1865 21:12  Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’ i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Gene Mg1865 21:13  Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
Gene Mg1865 21:14  Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
Gene Mg1865 21:15  Ary rehefa lany ny rano tao amin’ ny siny hoditra, dia nariany teo am-pototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
Gene Mg1865 21:16  Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan’ ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
Gene Mg1865 21:17  Ary ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza, dia niantso an’ i Hagara Ilay Anjelin’ Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra, fa efa ren’ Andriamanitra ny feon’ ny zaza eo amin’ ny itoerany.
Gene Mg1865 21:18  Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
Gene Mg1865 21:19  Dia nampahiratin’ Andriamanitra ny mason’ i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
Gene Mg1865 21:20  Ary nomban’ Andriamanitra ny zaza, dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
Gene Mg1865 21:21  Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
Gene Mg1865 21:22  Ary tamin’ izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, dia niteny tamin’ i Abrahama ka nanao hoe: Omban’ Andriamanitra ianao amin’ izay rehetra ataonao;
Gene Mg1865 21:23  koa ankehitriny ianiano amin’ Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ ny tany izay ivahinianao.
Gene Mg1865 21:25  Ary Abrahama nananatra an’ i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain’ ny mpanompon’ i Abimeleka an-keriny
Gene Mg1865 21:26  Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
Gene Mg1865 21:27  Ary Abrahama naka ondry aman’ osy sy omby, ka nomeny an’ i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
Gene Mg1865 21:28  Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin’ ny ondry.
Gene Mg1865 21:29  Ary hoy Abimeleka tamin’ i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
Gene Mg1865 21:30  Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
Gene Mg1865 21:31  Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan’ izy roa lahy.
Gene Mg1865 21:32  Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ ny tanin’ ny Filistina.
Gene Mg1865 21:33  Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
Gene Mg1865 21:34  Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.