GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 34
Gene | Mg1865 | 34:1 | Dia nivoaka Dina, zanakavavin’ i Lea, izay naterany tamin’ i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany. | |
Gene | Mg1865 | 34:2 | Ary nahita azy Sekema, zanakalahin’ i Hamora Hivita, andriana tamin’ izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy. | |
Gene | Mg1865 | 34:3 | Ary ny fony dia raiki-pitia tamin’ i Dina, zanakavavin’ i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy. | |
Gene | Mg1865 | 34:4 | Ary Sekema dia niteny tamin’ i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko. | |
Gene | Mg1865 | 34:5 | Ary ren’ i Jakoba fa efa nandoto an’ i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman’ ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany. | |
Gene | Mg1865 | 34:7 | Ary ny zanak’ i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely noho ny nandriany tamin’ ny zanakavavin’ i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany. | |
Gene | Mg1865 | 34:8 | Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon’ i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin’ ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny. | |
Gene | Mg1865 | 34:9 | Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy, | |
Gene | Mg1865 | 34:10 | Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan’ ny tompon-tany ianareo. | |
Gene | Mg1865 | 34:11 | Ary hoy Sekema tamin’ ny rain’ i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko; | |
Gene | Mg1865 | 34:12 | na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko. | |
Gene | Mg1865 | 34:13 | Ary ny zanak’ i Jakoba namaly an’ i Sekema sy Hamora rainy tamin’ ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an’ i Dina anabaviny; | |
Gene | Mg1865 | 34:14 | ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’ izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany. | |
Gene | Mg1865 | 34:15 | Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo, | |
Gene | Mg1865 | 34:16 | dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika. | |
Gene | Mg1865 | 34:17 | Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay. | |
Gene | Mg1865 | 34:19 | Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin’ i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’ izay rehetra tao an-tranon’ ny rainy. | |
Gene | Mg1865 | 34:20 | Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin’ ny vavahadin’ ny tanànany, dia niteny tamin’ ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe: | |
Gene | Mg1865 | 34:21 | Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin’ ny tany izy ka hanao varotra eto; fa, indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa. | |
Gene | Mg1865 | 34:22 | Nefa izao monja ihany no hanaovan’ ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. | |
Gene | Mg1865 | 34:23 | Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy. | |
Gene | Mg1865 | 34:24 | Ary izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany dia nanaiky ny tenin’ i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin’ ny vavahadin’ ny tanànany. | |
Gene | Mg1865 | 34:25 | Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao. | |
Gene | Mg1865 | 34:26 | Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin’ ny lelan-tsabatra koa; dia naka an’ i Dina tao an-tranon’ i Sekema izy ka lasa nandeha. | |
Gene | Mg1865 | 34:27 | Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny. | |
Gene | Mg1865 | 34:28 | Ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin’ izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa; | |
Gene | Mg1865 | 34:29 | ary ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin’ izay rehetra tao an-trano. | |
Gene | Mg1865 | 34:30 | Ary hoy Jakoba tamin’ i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin’ ny mponina amin’ ny tany aho, dia amin’ ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. | |