GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 23
Gene | Mg1865 | 23:1 | Ary ny andro niainan’ i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan’ i Saraha. | |
Gene | Mg1865 | 23:2 | Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin’ ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an’ i Saraha sy hitomany azy. | |
Gene | Mg1865 | 23:3 | Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan’ ny fatin’ ny vadiny, dia niteny tamin’ ny taranak’ i Heta ka nanao hoe: | |
Gene | Mg1865 | 23:4 | Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako. | |
Gene | Mg1865 | 23:6 | Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ ny fasanay no andeveno ny fatin’ ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin’ ny vadinao. | |
Gene | Mg1865 | 23:7 | Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta tompon-tany, | |
Gene | Mg1865 | 23:8 | dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin’ i Efrona, zanak’ i Zohara, | |
Gene | Mg1865 | 23:9 | mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin’ ny sisin’ ny sahany; amin’ izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. | |
Gene | Mg1865 | 23:10 | Ary Efrona nipetraka teo amin’ ny taranak’ i Heta; dia namaly an’ i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany, ka nanao hoe: | |
Gene | Mg1865 | 23:11 | Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason’ ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ ny vadinao. | |
Gene | Mg1865 | 23:13 | dia niteny tamin’ i Efrona teo anatrehan’ ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin’ ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ ny vadiko. | |
Gene | Mg1865 | 23:15 | Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin’ ny vadinao. | |
Gene | Mg1865 | 23:16 | Dia neken’ i Abrahama ny tenin’ i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin’ ny mpivarotra. | |
Gene | Mg1865 | 23:17 | Ary ny sahan’ i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin’ i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin’ ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin’ ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty | |
Gene | Mg1865 | 23:18 | tamini’ i Abrahama ho fananana, teo imason’ ny taranak’ i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ ny tanànany. | |
Gene | Mg1865 | 23:19 | Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an’ i Saraha vadiny tao amin’ ny zohy tao amin’ ny saha Makpela tandrifin’ i Mamre (Hebrona izany), ao amin’ ny tany Kanana; | |