Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next
Chapter 50
Gene Mg1865 50:1  Ary Josefa nihohoka tamin’ ny tavan’ ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
Gene Mg1865 50:2  Ary nasain’ i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’ Isiraely ny mpanao fanafody.
Gene Mg1865 50:3  Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
Gene Mg1865 50:4  Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin’ ny tao an-tranon’ i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin’ i Farao, ka ataovy hoe:
Gene Mg1865 50:5  Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
Gene Mg1865 50:6  Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
Gene Mg1865 50:7  Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon’ i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ ny tany Egypta,
Gene Mg1865 50:8  ary ny ankohonan’ i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin’ ny tany Gosena.
Gene Mg1865 50:9  Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
Gene Mg1865 50:10  Ary rehefa tonga teo Goren’ atada izy, izay ao an-dafin’ i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
Gene Mg1865 50:11  Ary rehefa hitan’ ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’ i Jordana.
Gene Mg1865 50:12  Ary ny zanakalahin’ i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
Gene Mg1865 50:13  dia nitondra azy tany amin’ ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ ny zohy amin’ ny saha Makpela, tandrifin’ i Mamre, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
Gene Mg1865 50:14  Ary rehefa voalevin’ i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin’ izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
Gene Mg1865 50:15  Ary rehefa hitan’ ny rahalahin’ i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
Gene Mg1865 50:16  Dia naniraka nankany amin’ i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
Gene Mg1865 50:17  ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Josefa: Mamela re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
Gene Mg1865 50:18  Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
Gene Mg1865 50:19  Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
Gene Mg1865 50:20  Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Gene Mg1865 50:21  Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
Gene Mg1865 50:22  Ary Josefa sy ny ankohonan’ ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan’ i Josefa dia folo amby zato taona.
Gene Mg1865 50:23  Ary hitan’ i Josefa ny zafiafin’ i Efraima; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany.
Gene Mg1865 50:24  Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Gene Mg1865 50:25  Ary Josefa dia nampianiana ny zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
Gene Mg1865 50:26  Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin’ ny vata tany Egypta.