GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 28
Gene | Mg1865 | 28:1 | Ary Isaka nampaka an’ i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao. | |
Gene | Mg1865 | 28:2 | Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ ny tranon’ i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ ny zanakavavin’ i Labana anadahin-dreninao. | |
Gene | Mg1865 | 28:3 | Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao; | |
Gene | Mg1865 | 28:4 | ary homeny anao anie ny fitahiana an’ i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’ Andriamanitra an’ i Abrahama. | |
Gene | Mg1865 | 28:5 | Ary Isaka nampandeha an’ i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin’ i Labana, zanak’ i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’ i Jakoba sy Esao. | |
Gene | Mg1865 | 28:6 | Ary nony hitan’ i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’ i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao; | |
Gene | Mg1865 | 28:7 | koa Jakoba efa nanaraka ny tenin’ ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia; | |
Gene | Mg1865 | 28:8 | ary hitan’ i Esao fa efa ratsy teo imason’ Isaka rainy ny zanakavavin’ ny Kananita: | |
Gene | Mg1865 | 28:9 | dia lasa Esao nankany amin’ Isimaela ka naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ Isimaela, zanak’ i Abrahama, sady anabavin’ i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin’ ny vady izay nananany. | |
Gene | Mg1865 | 28:11 | Ary tonga teo amin’ ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin’ izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy. | |
Gene | Mg1865 | 28:12 | Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ka nipaka tamin’ ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. | |
Gene | Mg1865 | 28:13 | Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao; | |
Gene | Mg1865 | 28:14 | ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. | |
Gene | Mg1865 | 28:15 | Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao. | |
Gene | Mg1865 | 28:16 | Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. | |
Gene | Mg1865 | 28:17 | Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra. | |
Gene | Mg1865 | 28:18 | Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy. | |
Gene | Mg1865 | 28:19 | Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha. | |
Gene | Mg1865 | 28:20 | Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’ izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, | |
Gene | Mg1865 | 28:21 | ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, | |