Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 28
Gene Mg1865 28:1  Ary Isaka nampaka an’ i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao.
Gene Mg1865 28:2  Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ ny tranon’ i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ ny zanakavavin’ i Labana anadahin-dreninao.
Gene Mg1865 28:3  Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
Gene Mg1865 28:4  ary homeny anao anie ny fitahiana an’ i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’ Andriamanitra an’ i Abrahama.
Gene Mg1865 28:5  Ary Isaka nampandeha an’ i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin’ i Labana, zanak’ i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’ i Jakoba sy Esao.
Gene Mg1865 28:6  Ary nony hitan’ i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’ i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao;
Gene Mg1865 28:7  koa Jakoba efa nanaraka ny tenin’ ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
Gene Mg1865 28:8  ary hitan’ i Esao fa efa ratsy teo imason’ Isaka rainy ny zanakavavin’ ny Kananita:
Gene Mg1865 28:9  dia lasa Esao nankany amin’ Isimaela ka naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ Isimaela, zanak’ i Abrahama, sady anabavin’ i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin’ ny vady izay nananany.
Gene Mg1865 28:10  Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
Gene Mg1865 28:11  Ary tonga teo amin’ ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin’ izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
Gene Mg1865 28:12  Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ka nipaka tamin’ ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Gene Mg1865 28:13  Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
Gene Mg1865 28:14  ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Gene Mg1865 28:15  Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
Gene Mg1865 28:16  Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
Gene Mg1865 28:17  Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra.
Gene Mg1865 28:18  Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
Gene Mg1865 28:19  Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.
Gene Mg1865 28:20  Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’ izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
Gene Mg1865 28:21  ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
Gene Mg1865 28:22  ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.