Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 38
Gene Mg1865 38:1  Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
Gene Mg1865 38:2  Ary teo no nahitan’ i Joda ny zanakavavin’ i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
Gene Mg1865 38:3  Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
Gene Mg1865 38:4  Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
Gene Mg1865 38:5  Dia nanan’ anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ ny niterahan’ ny vadiny an’ i Sela.
Gene Mg1865 38:6  Ary Joda naka vady ho an’ i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
Gene Mg1865 38:7  Fa ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda; dia novonoin’ i Jehovah izy.
Gene Mg1865 38:8  Ary hoy Joda tamin’ i Onana: Vadio ny vadin’ ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
Gene Mg1865 38:9  Ary fantatr’ i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ ny rahalahiny.
Gene Mg1865 38:10  Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
Gene Mg1865 38:11  Ary hoy Joda tamin’ i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’ i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
Gene Mg1865 38:12  Ary rehefa ela, dia maty ny vadin’ i Joda, dia ilay zanakavavin’ i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon’ i Joda, dia niakatra tany amin’ ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
Gene Mg1865 38:13  Dia nisy nanambara tamin’ i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
Gene Mg1865 38:14  Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
Gene Mg1865 38:15  Ary hitan’ i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
Gene Mg1865 38:16  Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
Gene Mg1865 38:17  Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’ osy avy amin’ ny ondry aman’ osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
Gene Mg1865 38:18  Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan’ anaka taminy ravehivavy.
Gene Mg1865 38:19  Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena indray.
Gene Mg1865 38:20  Dia nampitondrain’ i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’ osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
Gene Mg1865 38:21  Dia nanontany ny olona teo amin’ ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
Gene Mg1865 38:22  Dia niverina tany amin’ i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain’ ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
Gene Mg1865 38:23  Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’ osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
Gene Mg1865 38:24  Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin’ i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan’ anaka tamin’ ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
Gene Mg1865 38:25  Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
Gene Mg1865 38:26  Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’ i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
Gene Mg1865 38:27  Ary tamin’ ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
Gene Mg1865 38:28  Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan’ ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin’ ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
Gene Mg1865 38:29  Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
Gene Mg1865 38:30  Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin’ ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.