GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 16
Gene | Mg1865 | 16:1 | Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. | |
Gene | Mg1865 | 16:2 | Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray. | |
Gene | Mg1865 | 16:3 | Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny. | |
Gene | Mg1865 | 16:4 | Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. | |
Gene | Mg1865 | 16:5 | Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao. | |
Gene | Mg1865 | 16:6 | Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. | |
Gene | Mg1865 | 16:7 | Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora. | |
Gene | Mg1865 | 16:8 | Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’ i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’ i Saray tompovaviko aho. | |
Gene | Mg1865 | 16:9 | Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Miverena any amin’ ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. | |
Gene | Mg1865 | 16:10 | Ary hoy koa Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. | |
Gene | Mg1865 | 16:11 | Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. | |
Gene | Mg1865 | 16:12 | Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy. | |
Gene | Mg1865 | 16:13 | Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana? | |
Gene | Mg1865 | 16:14 | Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany. | |
Gene | Mg1865 | 16:15 | Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’ i Abrama; ary ny anaran’ ny zanany izay naterany dia nataon’ i Abrama hoe Isimaela. | |