Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 36
Gene Mg1865 36:2  Esao naka vady tamin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, dia Ada, zanak’ i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona Hivita,
Gene Mg1865 36:3  ary Basemata, zanakavavin’ Isimaela sady anabavin’ i Nebaiota.
Gene Mg1865 36:4  Ary Ada niteraka an’ i Elifaza tamin’ i Esao; ary Basemata niteraka an’ i Regoela;
Gene Mg1865 36:5  ary Oholibama niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak’ i Esao, izay naterany tany amin’ ny tany Kanana.
Gene Mg1865 36:6  Dia nentin’ i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman’ ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’ izay tany hialana eo anatrehan’ i Jakoba rahalahiny.
Gene Mg1865 36:7  Fa samy be loatra ny haren’ izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
Gene Mg1865 36:8  Koa nonina tany an-tendrombohitra Seïra Esao. (Edoma izany).
Gene Mg1865 36:9  Ary izao no taranak’ i Esao, rain’ ny Edomita any an-tendrombohitra Seïra:
Gene Mg1865 36:10  Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Esao dia izao: Elifaza, zanak’ i Ada, vadin’ i Esao, sy Regoela, zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
Gene Mg1865 36:11  Ary ny zanakalahin’ i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
Gene Mg1865 36:12  Ary Timna no vaditsindranon’ i Elifaza, zanakalahin’ i Esao; ary niteraka an’ i Amaleka tamin’ i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin’ i Ada, vadin’ i Esao.
Gene Mg1865 36:13  Ary izao no zanakalahin’ i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin’ i Basemata, vadin’ i Esao.
Gene Mg1865 36:14  Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, zanakavavin’ i Zibona, vadin’ i Esao: niteraka an’ i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin’ i Esao izy.
Gene Mg1865 36:15  Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
Gene Mg1865 36:16  sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin’ i Elifaza tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Ada.
Gene Mg1865 36:17  Ary izao no zanakalahin’ i Regoela, zanak’ i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Regoela tany amin’ ny tany Edoma; ireo no zanak’ i Basemata, vadin’ i Esao.
Gene Mg1865 36:18  Ary izao no zanakalahin’ i Oholibama, vadin’ i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin’ i Oholibama, zanakavavin’ i Ana, vadin’ i Esao.
Gene Mg1865 36:19  Ireo no zanak’ i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
Gene Mg1865 36:20  Ary izao no zanakalahin’ i Seïra Horita, izay nonina tany amin’ ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
Gene Mg1865 36:21  sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny taranak’ i Seïra, tany amin’ ny tany Edoma.
Gene Mg1865 36:22  Ary ny zanakalahin’ i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin’ i Lotana.
Gene Mg1865 36:23  Ary izao no zanakalahin’ i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
Gene Mg1865 36:24  Ary izao no zanakalahin’ i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin’ i Zibona rainy izy).
Gene Mg1865 36:25  Ary izao no zanak’ i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin’ i Ana.
Gene Mg1865 36:26  Ary izao no zanakalahin’ i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
Gene Mg1865 36:27  Ary izao no zanak’ i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
Gene Mg1865 36:29  Ary izao no loham-pirenena tamin’ ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
Gene Mg1865 36:30  sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin’ ny tany Seïra.
Gene Mg1865 36:31  Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin’ ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ ny Zanak’ Isiraely:
Gene Mg1865 36:32  Nanjaka tany Edoma Bela, zanak’ i Beora; ary Dinaba no anaran’ ny tanànany.
Gene Mg1865 36:33  Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak’ i Zera avy tany Bozra.
Gene Mg1865 36:34  Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin’ ny tanin’ ny Temanita.
Gene Mg1865 36:35  Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak’ i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin’ ny tany Moaba; ary Avita no anaran’ ny tanànany.
Gene Mg1865 36:36  Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
Gene Mg1865 36:37  Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron’ ny Ony.
Gene Mg1865 36:38  Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak’ i Akbora.
Gene Mg1865 36:39  Ary maty Bala-hanana, zanak’ i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran’ ny tanànany; ary ny anaran’ ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin’ i Matreda, zanakavavin’ i Me-zahaba.
Gene Mg1865 36:40  Ary izao no anaran’ ny loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
Gene Mg1865 36:41  sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
Gene Mg1865 36:42  sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny
Gene Mg1865 36:43  sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin’ ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin’ ny taniny avy. Izany no Esao, rain’ ny Edomita.