GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 33
Gene | Mg1865 | 33:1 | Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin’ i Lea sy Rahely ary ho amin’ ny ankizivavy roa. | |
Gene | Mg1865 | 33:2 | Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana. | |
Gene | Mg1865 | 33:3 | Ary Jakoba nandeha teo alohan’ izy rehetra ka niankohoka impito tamin’ ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ ny rahalahiny. | |
Gene | Mg1865 | 33:4 | Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy. | |
Gene | Mg1865 | 33:5 | Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’ Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. | |
Gene | Mg1865 | 33:7 | Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka. | |
Gene | Mg1865 | 33:8 | Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr’ ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ itompokolahy. | |
Gene | Mg1865 | 33:10 | Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an’ izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin’ ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan’ Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. | |
Gene | Mg1865 | 33:11 | Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra. | |
Gene | Mg1865 | 33:13 | Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra. | |
Gene | Mg1865 | 33:14 | Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian’ ny omby aman’ ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian’ ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ itompokolahy any Seïra. | |
Gene | Mg1865 | 33:15 | Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason’ itompokolahy aho. | |
Gene | Mg1865 | 33:17 | Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ ny omby aman’ ondriny; izany no nanaovana ny anaran’ io tany io hoe Sokota. | |
Gene | Mg1865 | 33:18 | Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin’ ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin’ ny tanàna. | |
Gene | Mg1865 | 33:19 | Dia novidiny vola zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy. | |