GENESIS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
Chapter 2
Gene | Mg1865 | 2:2 | Ary tamin’ ny andro fahafito dia vitan’ Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’ ny asany rehetra izay efa nataony. | |
Gene | Mg1865 | 2:3 | Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy. | |
Gene | Mg1865 | 2:4 | Ary izao no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy, dia tamin’ ny nanaovan’ i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: | |
Gene | Mg1865 | 2:5 | Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; | |
Gene | Mg1865 | 2:7 | Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. | |
Gene | Mg1865 | 2:8 | Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. | |
Gene | Mg1865 | 2:9 | Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. | |
Gene | Mg1865 | 2:10 | Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: | |
Gene | Mg1865 | 2:11 | Ny anaran’ ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; | |
Gene | Mg1865 | 2:13 | Ary ny anaran’ ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. | |
Gene | Mg1865 | 2:14 | Ary ny anaran’ ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’ i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. | |
Gene | Mg1865 | 2:15 | Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. | |
Gene | Mg1865 | 2:16 | Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana ihany; | |
Gene | Mg1865 | 2:17 | fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. | |
Gene | Mg1865 | 2:18 | Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. | |
Gene | Mg1865 | 2:19 | Ary tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’ aina rehetra, dia izany no anarany. | |
Gene | Mg1865 | 2:20 | Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. | |
Gene | Mg1865 | 2:21 | Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. | |
Gene | Mg1865 | 2:22 | Ary ny taolan-tehezana izay nalain’ i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. | |
Gene | Mg1865 | 2:23 | Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ ny taolako sy nofo avy amin’ ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. | |
Gene | Mg1865 | 2:24 | Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. | |