Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next
Chapter 24
Gene Mg1865 24:1  Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an’ i Abrahama tamin’ ny zavatra rehetra.
Gene Mg1865 24:2  Ary hoy Abrahama tamin’ ilay lehiben’ ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao;
Gene Mg1865 24:3  fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
Gene Mg1865 24:4  fa any amin’ ny tanin-drazako sy amin’ ny havako no halehanao haka vady ho an’ Isaka zanako.
Gene Mg1865 24:5  Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin’ ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin’ ny tany izay nialanao va aho?
Gene Mg1865 24:6  Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
Gene Mg1865 24:7  Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ ny zanako.
Gene Mg1865 24:8  Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin’ izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
Gene Mg1865 24:9  Ary nataon’ ilay mpanompo tambanin’ ny fen’ i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’ izany zavatra izany izy.
Gene Mg1865 24:10  Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin’ ny ramevan’ ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan’ ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan’ i Nahora.
Gene Mg1865 24:11  Ary nampandohalehiny teo ivelan’ ny tanàna tanilan’ ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ ilay fandehanan’ ny vehivavy mpantsaka iny
Gene Mg1865 24:12  Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
Gene Mg1865 24:13  Indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
Gene Mg1865 24:14  koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’ Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
Gene Mg1865 24:15  Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, vadin’ i Nahpra, rahalahin’ i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
Gene Mg1865 24:16  Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
Gene Mg1865 24:17  Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho.
Gene Mg1865 24:18  Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
Gene Mg1865 24:19  Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
Gene Mg1865 24:20  Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ ny ramevany rehetra izy.
Gene Mg1865 24:21  Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin’ i Jehovah ny nalehany, na tsia.
Gene Mg1865 24:22  Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;
Gene Mg1865 24:23  ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon’ ny rainao?
Gene Mg1865 24:24  Ary hoy izy taminy: Zanakavavin’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, izay naterany tamin’ i Nahora, aho.
Gene Mg1865 24:25  Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.
Gene Mg1865 24:26  Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah,
Gene Mg1865 24:27  ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.
Gene Mg1865 24:28  Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ ny tao an-tranon’ ny reniny.
Gene Mg1865 24:29  Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
Gene Mg1865 24:30  Ary rehefa hitany ny kavin’ orona sy ny haba teny an-tànan’ ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan’ ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
Gene Mg1865 24:31  Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin’ i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran’ ny rameva.
Gene Mg1865 24:32  Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin’ ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an’ ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
Gene Mg1865 24:33  Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
Gene Mg1865 24:34  Dia hoy ralehilahy: Mpanompon’ i Abrahama aho.
Gene Mg1865 24:35  Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
Gene Mg1865 24:36  Ary rehefa antitra Saraha, vadin’ ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin’ ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an’ ny zanany izay rehetra ananany.
Gene Mg1865 24:37  Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, izay iraisako monina;
Gene Mg1865 24:38  fa any amin’ ny tranon’ ikaky sy any amin’ ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an’ ny zanako.
Gene Mg1865 24:39  Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
Gene Mg1865 24:40  Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny havako sy amin’ ny tranon’ ikaky.
Gene Mg1865 24:41  Dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin’ ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao koa ianao.
Gene Mg1865 24:42  Ary tonga androany teo amin’ ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
Gene Mg1865 24:43  indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho,
Gene Mg1865 24:44  ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin’ i Jehovah ho an’ ny zanakalahin’ ny tompoko.
Gene Mg1865 24:45  Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
Gene Mg1865 24:46  Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.
Gene Mg1865 24:47  Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak’ i Betoela, zanakalahin’ i Nahora, aho, izay naterak’ i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin’ orona, ary ny haba teny amin’ ny tànany.
Gene Mg1865 24:48  Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin’ ny lalana marina haka ny zanakavavin’ ny rahalahin’ ny tompoko, ho an’ ny zanany
Gene Mg1865 24:49  Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
Gene Mg1865 24:50  Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin’ i Jehovah no nisehoan’ izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
Gene Mg1865 24:51  Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin’ ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Gene Mg1865 24:52  Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon’ i Abrahama, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah izy.
Gene Mg1865 24:53  Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
Gene Mg1865 24:54  Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ ny tompoko.
Gene Mg1865 24:55  Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
Gene Mg1865 24:56  Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ ny tompoko.
Gene Mg1865 24:57  Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
Gene Mg1865 24:58  Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin’ io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
Gene Mg1865 24:59  Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’ i Abrahama mbamin’ ny olony izy.
Gene Mg1865 24:60  Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’ izay mankahala azy.
Gene Mg1865 24:61  Ary niainga Rebeka mbamin’ ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
Gene Mg1865 24:62  Ary Isaka efa tonga avy tamin’ ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin’ ny tany atsimo izy.
Gene Mg1865 24:63  Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
Gene Mg1865 24:64  Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an’ Isaka; dia nidina faingana niala tamin’ ny rameva izy.
Gene Mg1865 24:65  Ary hoy izy tamin’ ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
Gene Mg1865 24:66  Ary dia nambaran’ ilay mpanompo tamin’ Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
Gene Mg1865 24:67  Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’ i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.