HEBREWS
Chapter 13
Hebr | Mg1865 | 13:2 | Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany. | |
Hebr | Mg1865 | 13:3 | Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo. | |
Hebr | Mg1865 | 13:4 | Aoka hanan-kaja amin’ ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’ olona dia hohelohin’ Andriamanitra. | |
Hebr | Mg1865 | 13:5 | Aoka tsy ho amin’ ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin’ izay anananareo; fa hoy Izy: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. | |
Hebr | Mg1865 | 13:6 | Ka dia sahy manao hoe isika: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon’ ny olona atao amiko?”. | |
Hebr | Mg1865 | 13:7 | Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’ Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ ny fiainany, ka araho ny finoany. | |
Hebr | Mg1865 | 13:9 | Aza mety havilin’ izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin’ ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin’ ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. | |
Hebr | Mg1865 | 13:10 | Isika manana alitara, izay tsy ananan’ ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. | |
Hebr | Mg1865 | 13:11 | Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny. | |
Hebr | Mg1865 | 13:12 | Ary amin’ izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ ny ràny. | |
Hebr | Mg1865 | 13:13 | Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. | |
Hebr | Mg1865 | 13:15 | Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ ny alalany ho an’ Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. | |
Hebr | Mg1865 | 13:16 | Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra. | |
Hebr | Mg1865 | 13:17 | Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon’ ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ ny fifaliana, ta tsy amin’ ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. | |
Hebr | Mg1865 | 13:18 | Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin’ ny zavatra rehetra. | |
Hebr | Mg1865 | 13:19 | Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo. | |
Hebr | Mg1865 | 13:20 | Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ ny maty, mitondra ny ran’ ny fanekena mandrakizay, | |
Hebr | Mg1865 | 13:21 | Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. | |
Hebr | Mg1865 | 13:22 | Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho. | |
Hebr | Mg1865 | 13:23 | Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho. | |
Hebr | Mg1865 | 13:24 | Manaova veloma amin’ izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masìna rehetra. Izay an’ Italia dia manao veloma anareo. | |