Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CORINTHIANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 16
I Co Mg1865 16:1  Ary ny amin’ ny famoriam-bola ho an’ ny olona masìna, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ ny fiangonana any Galatia.
I Co Mg1865 16:2  Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
I Co Mg1865 16:3  Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
I Co Mg1865 16:4  Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
I Co Mg1865 16:5  Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’ i Makedonia ― fa hamaky an’ i Makedonia aho ―
I Co Mg1865 16:6  ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’ izay halehako.
I Co Mg1865 16:7  Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ ny Tompo.
I Co Mg1865 16:8  Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ ny Pentekosta;
I Co Mg1865 16:9  fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
I Co Mg1865 16:10  Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
I Co Mg1865 16:11  Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho.
I Co Mg1865 16:12  Ary ny amin’ i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’ izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.
I Co Mg1865 16:13  Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
I Co Mg1865 16:14  Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ ny fitiavana.
I Co Mg1865 16:15  Fantatrareo ny ankohonan’ i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’ i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ ny fanompoana ny olona masìna; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
I Co Mg1865 16:16  mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
I Co Mg1865 16:17  Faly aho noho ny fihavian’ i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
I Co Mg1865 16:18  fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
I Co Mg1865 16:19  Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ ny fiangonana izay ao an-tranony.
I Co Mg1865 16:20  Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
I Co Mg1865 16:22  Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.
I Co Mg1865 16:23  Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo;
I Co Mg1865 16:24  ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Amena.