Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next
Chapter 21
John Mg1865 21:1  Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ ny Ranomasin’ i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
John Mg1865 21:2  Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’ i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
John Mg1865 21:3  Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin’ iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
John Mg1865 21:4  Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
John Mg1865 21:5  Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
John Mg1865 21:6  Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ ny hazandrano.
John Mg1865 21:7  Ary hoy ny mpianatra izay tian’ i Jesosy tamin’ i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren’ i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ ny ranomasina izy.
John Mg1865 21:8  Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
John Mg1865 21:9  Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
John Mg1865 21:10  Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin’ ireo vao azonareo teo.
John Mg1865 21:11  Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
John Mg1865 21:12  Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
John Mg1865 21:13  Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
John Mg1865 21:14  Izany no fanintelon’ ny nisehoan’ i Jesosy tamin’ ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
John Mg1865 21:15  Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
John Mg1865 21:16  Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
John Mg1865 21:17  Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
John Mg1865 21:18  Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’ izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao.
John Mg1865 21:19  Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
John Mg1865 21:20  Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’ i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin’ ny tratrany tamin’ ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
John Mg1865 21:21  Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ ity lehilahy ity?
John Mg1865 21:22  Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
John Mg1865 21:23  Ary niely tamin’ ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
John Mg1865 21:24  Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
John Mg1865 21:25  Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’ i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.