JOHN
Chapter 12
John | Mg1865 | 12:1 | Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran’ i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ ny maty. | |
John | Mg1865 | 12:2 | Dia nanao fanasana ho an’ i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy. | |
John | Mg1865 | 12:3 | Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. | |
John | Mg1865 | 12:6 | Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. | |
John | Mg1865 | 12:7 | Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ ny andro hanamboarany Ahy halevina io. | |
John | Mg1865 | 12:8 | Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva. | |
John | Mg1865 | 12:9 | Ary ny vahoaka betsaka tamin’ ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’ i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ ny maty. | |
John | Mg1865 | 12:12 | Ary nony ampitson’ iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, | |
John | Mg1865 | 12:13 | dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. | |
John | Mg1865 | 12:14 | Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: | |
John | Mg1865 | 12:15 | Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky. | |
John | Mg1865 | 12:16 | Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. | |
John | Mg1865 | 12:17 | Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’ i Lazarosy hivoaka tamin’ ny fasana ka nanangana azy tamin’ ny maty. | |
John | Mg1865 | 12:18 | Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. | |
John | Mg1865 | 12:19 | Ary tamin’ izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao. | |
John | Mg1865 | 12:20 | Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana, | |
John | Mg1865 | 12:21 | ary izy ireo nankany amin’ i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’ i Jesosy izahay. | |
John | Mg1865 | 12:22 | Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy. | |
John | Mg1865 | 12:24 | Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. | |
John | Mg1865 | 12:25 | Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay. | |
John | Mg1865 | 12:26 | Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray. | |
John | Mg1865 | 12:27 | Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ ity ora ity; | |
John | Mg1865 | 12:28 | Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray. | |
John | Mg1865 | 12:29 | Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy. | |
John | Mg1865 | 12:30 | Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo. | |
John | Mg1865 | 12:31 | Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’ izao tontolo izao no horoahina. | |
John | Mg1865 | 12:32 | Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. | |
John | Mg1865 | 12:34 | Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona? Iza moa izany Zanak’ olona izany? | |
John | Mg1865 | 12:35 | Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. | |
John | Mg1865 | 12:36 | Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy. | |
John | Mg1865 | 12:37 | Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, | |
John | Mg1865 | 12:38 | mba hahatanteraka ny teny nataon’ Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah? | |
John | Mg1865 | 12:40 | Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho. | |
John | Mg1865 | 12:41 | Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy. | |
John | Mg1865 | 12:42 | Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga. | |
John | Mg1865 | 12:43 | Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra. | |
John | Mg1865 | 12:44 | Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. | |
John | Mg1865 | 12:46 | Izaho tonga amin’ izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ ny maizina izay rehetra mino Ahy. | |
John | Mg1865 | 12:47 | Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. | |
John | Mg1865 | 12:48 | Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany, | |
John | Mg1865 | 12:49 | satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. | |