JOHN
Chapter 7
John | Mg1865 | 7:1 | Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. | |
John | Mg1865 | 7:3 | ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; | |
John | Mg1865 | 7:4 | fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao. | |
John | Mg1865 | 7:6 | Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. | |
John | Mg1865 | 7:7 | Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. | |
John | Mg1865 | 7:8 | Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. | |
John | Mg1865 | 7:9 | Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. | |
John | Mg1865 | 7:10 | Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. | |
John | Mg1865 | 7:12 | Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. | |
John | Mg1865 | 7:14 | Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra. | |
John | Mg1865 | 7:15 | Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? | |
John | Mg1865 | 7:16 | Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy. | |
John | Mg1865 | 7:17 | Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. | |
John | Mg1865 | 7:18 | Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. | |
John | Mg1865 | 7:19 | Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? | |
John | Mg1865 | 7:21 | Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra. | |
John | Mg1865 | 7:22 | Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’ i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ ny razana, ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. | |
John | Mg1865 | 7:23 | Raha amin’ ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’ i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ ny Sabata. | |
John | Mg1865 | 7:25 | Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina? | |
John | Mg1865 | 7:26 | Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy? | |
John | Mg1865 | 7:27 | Nefa fantatsika izay nihavian’ ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany. | |
John | Mg1865 | 7:28 | Dia niantso teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo. | |
John | Mg1865 | 7:30 | Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany. | |
John | Mg1865 | 7:31 | Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy? | |
John | Mg1865 | 7:32 | Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy. | |
John | Mg1865 | 7:33 | Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho. | |
John | Mg1865 | 7:35 | Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika? | |
John | Mg1865 | 7:36 | Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? | |
John | Mg1865 | 7:37 | Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. | |
John | Mg1865 | 7:38 | Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna. | |
John | Mg1865 | 7:39 | Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny. | |
John | Mg1865 | 7:40 | Ary ny sasany tamin’ ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. | |
John | Mg1865 | 7:41 | Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’ i Kristy? | |
John | Mg1865 | 7:42 | Tsy voalazan’ ny Soratra Masìna va fa Kristy dia avy amin’ ny taranak’ i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’ i Davida? | |
John | Mg1865 | 7:45 | Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy? | |
John | Mg1865 | 7:50 | Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’ i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe: | |
John | Mg1865 | 7:51 | Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony? | |
John | Mg1865 | 7:52 | Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia. | |