JOHN
Chapter 11
John | Mg1865 | 11:1 | Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’ i Maria sy Marta rahavaviny. | |
John | Mg1865 | 11:2 | Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary. | |
John | Mg1865 | 11:3 | Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’ i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao. | |
John | Mg1865 | 11:4 | Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra. | |
John | Mg1865 | 11:6 | Koa nony ren’ i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’ izay nitoerany ihany Izy. | |
John | Mg1865 | 11:7 | Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray. | |
John | Mg1865 | 11:8 | Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao? | |
John | Mg1865 | 11:9 | Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao. | |
John | Mg1865 | 11:10 | Fa raha misy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy. | |
John | Mg1865 | 11:11 | Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. | |
John | Mg1865 | 11:13 | Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’ izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy. | |
John | Mg1865 | 11:15 | ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy. | |
John | Mg1865 | 11:16 | Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy. | |
John | Mg1865 | 11:18 | Ary Betania dia tao akaikin’ i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ ny folo stadio no elanelany. | |
John | Mg1865 | 11:19 | Ary maro tamin’ ny Jiosy no efa tonga teo amin’ i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ ny anadahiny. | |
John | Mg1865 | 11:20 | Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano. | |
John | Mg1865 | 11:21 | Ary hoy Marta tamin’ i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. | |
John | Mg1865 | 11:22 | Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’ Andriamanitra dia homen’ Andriamanitra Anao. | |
John | Mg1865 | 11:24 | Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany; | |
John | Mg1865 | 11:25 | Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. | |
John | Mg1865 | 11:26 | Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? | |
John | Mg1865 | 11:27 | Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao. | |
John | Mg1865 | 11:28 | Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. | |
John | Mg1865 | 11:30 | Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ ilay nitsenan’ i Marta Azy ihany. | |
John | Mg1865 | 11:31 | Ary ny Jiosy izay tao amin’ i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ ny fasana hitomany any izy. | |
John | Mg1865 | 11:32 | Ary Maria, rehefa tonga teo amin’ nitoeran’ i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. | |
John | Mg1865 | 11:33 | Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; | |
John | Mg1865 | 11:34 | ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. | |
John | Mg1865 | 11:37 | Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? | |
John | Mg1865 | 11:38 | Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. | |
John | Mg1865 | 11:39 | Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. | |
John | Mg1865 | 11:40 | Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra? | |
John | Mg1865 | 11:41 | Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. | |
John | Mg1865 | 11:42 | Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. | |
John | Mg1865 | 11:43 | Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! | |
John | Mg1865 | 11:44 | Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. | |
John | Mg1865 | 11:45 | Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy. | |
John | Mg1865 | 11:46 | Fa ny sasany tamin’ ireo kosa dia lasa nankany amin’ ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony. | |
John | Mg1865 | 11:47 | Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. | |
John | Mg1865 | 11:48 | Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika. | |
John | Mg1865 | 11:49 | Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, | |
John | Mg1865 | 11:50 | na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. | |
John | Mg1865 | 11:51 | Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’ izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; | |
John | Mg1865 | 11:52 | ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. | |
John | Mg1865 | 11:54 | Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ ny tany akaikin’ ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ ny mpianatra. | |
John | Mg1865 | 11:55 | Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ ny Paska mba hanadio ny tenany. | |
John | Mg1865 | 11:56 | Dia nitady an’ i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan’ ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy? | |