Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next
Chapter 11
John Mg1865 11:1  Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’ i Maria sy Marta rahavaviny.
John Mg1865 11:2  Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
John Mg1865 11:3  Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’ i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
John Mg1865 11:4  Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.
John Mg1865 11:5  Ary Jesosy tia an’ i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
John Mg1865 11:6  Koa nony ren’ i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’ izay nitoerany ihany Izy.
John Mg1865 11:7  Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
John Mg1865 11:8  Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
John Mg1865 11:9  Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao.
John Mg1865 11:10  Fa raha misy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
John Mg1865 11:11  Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
John Mg1865 11:12  Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.
John Mg1865 11:13  Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’ izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy.
John Mg1865 11:14  Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
John Mg1865 11:15  ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
John Mg1865 11:16  Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
John Mg1865 11:17  Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
John Mg1865 11:18  Ary Betania dia tao akaikin’ i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ ny folo stadio no elanelany.
John Mg1865 11:19  Ary maro tamin’ ny Jiosy no efa tonga teo amin’ i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ ny anadahiny.
John Mg1865 11:20  Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
John Mg1865 11:21  Ary hoy Marta tamin’ i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
John Mg1865 11:22  Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’ Andriamanitra dia homen’ Andriamanitra Anao.
John Mg1865 11:24  Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany;
John Mg1865 11:25  Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
John Mg1865 11:26  Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
John Mg1865 11:27  Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
John Mg1865 11:28  Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
John Mg1865 11:29  Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
John Mg1865 11:30  Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ ilay nitsenan’ i Marta Azy ihany.
John Mg1865 11:31  Ary ny Jiosy izay tao amin’ i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ ny fasana hitomany any izy.
John Mg1865 11:32  Ary Maria, rehefa tonga teo amin’ nitoeran’ i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
John Mg1865 11:33  Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
John Mg1865 11:34  ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
John Mg1865 11:36  Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ ny fitiavany azy!
John Mg1865 11:37  Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
John Mg1865 11:38  Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
John Mg1865 11:39  Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
John Mg1865 11:40  Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra?
John Mg1865 11:41  Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
John Mg1865 11:42  Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
John Mg1865 11:43  Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
John Mg1865 11:44  Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
John Mg1865 11:45  Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy.
John Mg1865 11:46  Fa ny sasany tamin’ ireo kosa dia lasa nankany amin’ ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
John Mg1865 11:47  Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
John Mg1865 11:48  Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
John Mg1865 11:49  Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
John Mg1865 11:50  na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
John Mg1865 11:51  Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’ izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
John Mg1865 11:52  ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
John Mg1865 11:53  Koa hatramin’ izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
John Mg1865 11:54  Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ ny tany akaikin’ ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ ny mpianatra.
John Mg1865 11:55  Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ ny Paska mba hanadio ny tenany.
John Mg1865 11:56  Dia nitady an’ i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan’ ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy?
John Mg1865 11:57  Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.