Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 17
John Mg1865 17:1  Rehefa nolazain’ i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.
John Mg1865 17:2  araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy.
John Mg1865 17:3  Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
John Mg1865 17:4  Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
John Mg1865 17:5  Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ ny tenanao, dia amin’ ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
John Mg1865 17:6  Nasehoko tamin’ ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’ izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
John Mg1865 17:7  Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
John Mg1865 17:8  Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.
John Mg1865 17:9  Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
John Mg1865 17:10  Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
John Mg1865 17:11  Ary tsy ho eto amin’ izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masìna ô, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
John Mg1865 17:12  Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna.
John Mg1865 17:13  Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’ izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
John Mg1865 17:14  Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’ izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
John Mg1865 17:15  Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’ izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ ny ratsy.
John Mg1865 17:16  Tsy naman’ izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
John Mg1865 17:17  Manamasìna azy amin’ ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
John Mg1865 17:18  Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’ izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’ izao tontolo izao.
John Mg1865 17:19  Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.
John Mg1865 17:20  Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny;
John Mg1865 17:21  mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
John Mg1865 17:22  Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
John Mg1865 17:23  Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
John Mg1865 17:24  Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
John Mg1865 17:25  Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
John Mg1865 17:26  Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.