Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next
Chapter 3
John Mg1865 3:1  Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ ny Jiosy.
John Mg1865 3:2  Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
John Mg1865 3:3  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.
John Mg1865 3:4  Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
John Mg1865 3:5  Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
John Mg1865 3:6  Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
John Mg1865 3:7  aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.
John Mg1865 3:8  Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
John Mg1865 3:9  Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
John Mg1865 3:10  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
John Mg1865 3:11  Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
John Mg1865 3:12  Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
John Mg1865 3:13  Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
John Mg1865 3:14  Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,
John Mg1865 3:15  mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
John Mg1865 3:16  Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
John Mg1865 3:17  Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
John Mg1865 3:18  Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.
John Mg1865 3:19  Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
John Mg1865 3:20  Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
John Mg1865 3:21  Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’ Andriamanitra izany.
John Mg1865 3:22  Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
John Mg1865 3:23  Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’ i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
John Mg1865 3:25  Ary nisy nifandiran’ ny mpianatr’ i Jaona tamin’ ny Jiosy anankiray ny amin’ ny fanadiovana;
John Mg1865 3:26  ary tonga tany amin’ i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
John Mg1865 3:27  Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
John Mg1865 3:28  Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
John Mg1865 3:29  Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
John Mg1865 3:30  Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
John Mg1865 3:31  Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra; ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra;
John Mg1865 3:32  koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
John Mg1865 3:33  Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
John Mg1865 3:34  Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.
John Mg1865 3:35  Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
John Mg1865 3:36  Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy.