JOHN
Chapter 18
John | Mg1865 | 18:1 | Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany. | |
John | Mg1865 | 18:2 | Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ ny mpianany. | |
John | Mg1865 | 18:3 | Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. | |
John | Mg1865 | 18:4 | Ary satria fantatr’ i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo? | |
John | Mg1865 | 18:5 | Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy. | |
John | Mg1865 | 18:6 | Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ ny tany. | |
John | Mg1865 | 18:7 | Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta. | |
John | Mg1865 | 18:8 | Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto; | |
John | Mg1865 | 18:10 | Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ ilay mpanompo. | |
John | Mg1865 | 18:11 | Dia hoy Jesosy tamin’ i Petera: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va? | |
John | Mg1865 | 18:12 | Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy, | |
John | Mg1865 | 18:13 | dia nitondra Azy tany amin’ i Anasy aloha, fa izy no rafozan’ i Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany. | |
John | Mg1865 | 18:14 | Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena. | |
John | Mg1865 | 18:15 | Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’ i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’ i Jesosy ho ao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe izy. | |
John | Mg1865 | 18:16 | Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’ i Petera niditra. | |
John | Mg1865 | 18:17 | Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’ i Petera: Moa ianao mba isan’ ny mpianatr’ io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia. | |
John | Mg1865 | 18:18 | Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon’ arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy. | |
John | Mg1865 | 18:20 | Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona; | |
John | Mg1865 | 18:21 | koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko. | |
John | Mg1865 | 18:22 | Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an’ i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe? | |
John | Mg1865 | 18:23 | Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao? | |
John | Mg1865 | 18:24 | Ary dia nasain’ i Anasy nentina tamin’ ny fatorany ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe Izy. | |
John | Mg1865 | 18:25 | Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia. | |
John | Mg1865 | 18:26 | Hoy ny anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe havan’ ilay nokapain’ i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao? | |
John | Mg1865 | 18:28 | Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’ i Kaiafa ho ao anati-rova; ary maraina koa ny andro tamin’ izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. | |
John | Mg1865 | 18:29 | Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io? | |
John | Mg1865 | 18:30 | Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao. | |
John | Mg1865 | 18:31 | Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona; | |
John | Mg1865 | 18:32 | mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay efa hiaretany. | |
John | Mg1865 | 18:33 | Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? | |
John | Mg1865 | 18:34 | Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao? | |
John | Mg1865 | 18:35 | Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao? | |
John | Mg1865 | 18:36 | Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako. | |
John | Mg1865 | 18:37 | Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko. | |
John | Mg1865 | 18:38 | Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. | |
John | Mg1865 | 18:39 | Fa misy fanaonareo amin’ ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ ny Jiosy? | |