JOHN
Chapter 9
John | Mg1865 | 9:2 | Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? | |
John | Mg1865 | 9:3 | Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy. | |
John | Mg1865 | 9:4 | Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona. | |
John | Mg1865 | 9:6 | Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba. | |
John | Mg1865 | 9:7 | Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. | |
John | Mg1865 | 9:8 | Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka? | |
John | Mg1865 | 9:9 | Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy. | |
John | Mg1865 | 9:11 | Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra. | |
John | Mg1865 | 9:12 | Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro. | |
John | Mg1865 | 9:14 | Ary tamin’ ny andro Sabata no nanaovan’ i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy. | |
John | Mg1865 | 9:15 | Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. | |
John | Mg1865 | 9:16 | Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy. | |
John | Mg1865 | 9:17 | Ary hoy indray izy tamin’ ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy. | |
John | Mg1865 | 9:18 | Ary amin’ izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ ilay nahiratra | |
John | Mg1865 | 9:19 | ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao? | |
John | Mg1865 | 9:20 | Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; | |
John | Mg1865 | 9:21 | fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany. | |
John | Mg1865 | 9:22 | Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga. | |
John | Mg1865 | 9:24 | Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. | |
John | Mg1865 | 9:25 | Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. | |
John | Mg1865 | 9:26 | Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao? | |
John | Mg1865 | 9:27 | Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo? | |
John | Mg1865 | 9:28 | Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’ i Mosesy. | |
John | Mg1865 | 9:29 | Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra; fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany. | |
John | Mg1865 | 9:30 | Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. | |
John | Mg1865 | 9:31 | Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. | |
John | Mg1865 | 9:32 | Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. | |
John | Mg1865 | 9:33 | Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. | |
John | Mg1865 | 9:34 | Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy. | |
John | Mg1865 | 9:35 | Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? | |
John | Mg1865 | 9:39 | Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. | |
John | Mg1865 | 9:40 | Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? | |