Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
Mark Mg1865 2:1  Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
Mark Mg1865 2:2  ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
Mark Mg1865 2:3  Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’ efa-dahy.
Mark Mg1865 2:4  Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ ny trano nitoeran’ i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ ilay nararin’ ny paralysisa.
Mark Mg1865 2:5  Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
Mark Mg1865 2:6  Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
Mark Mg1865 2:7  Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
Mark Mg1865 2:8  Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
Mark Mg1865 2:9  Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
Mark Mg1865 2:10  Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa):
Mark Mg1865 2:11  Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
Mark Mg1865 2:12  Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
Mark Mg1865 2:13  Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
Mark Mg1865 2:14  Ary nony nandalo Izy, dia nahita an’ i Levy, zanak’ i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Mark Mg1865 2:15  Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
Mark Mg1865 2:16  Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
Mark Mg1865 2:17  Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
Mark Mg1865 2:18  Ary ny mpianatr’ i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin’ izany; dia avy izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’ i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
Mark Mg1865 2:19  Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan’ ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
Mark Mg1865 2:20  Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’ izany andro izany hifady izy.
Mark Mg1865 2:21  Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin’ ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
Mark Mg1865 2:22  Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
Mark Mg1865 2:23  Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin’ ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
Mark Mg1865 2:24  Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin’ ny Sabata?
Mark Mg1865 2:25  Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
Mark Mg1865 2:26  fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
Mark Mg1865 2:27  Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an’ ny Sabata.
Mark Mg1865 2:28  ka dia Tompon’ ny Sabata aza ny Zanak’ olona.