Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ECCLESIASTES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 3
Eccl Mg1865 3:1  Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ ny lanitra:
Eccl Mg1865 3:2  Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
Eccl Mg1865 3:3  Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
Eccl Mg1865 3:4  Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
Eccl Mg1865 3:5  Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
Eccl Mg1865 3:6  Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
Eccl Mg1865 3:7  Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
Eccl Mg1865 3:8  Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
Eccl Mg1865 3:9  Inona no soa azon’ ny miasa amin’ izay isasarany?
Eccl Mg1865 3:10  Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’ Andriamanitra ny zanak’ olombelona hisasarany.
Eccl Mg1865 3:11  Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ ny olona ny asan’ Andriamanitra hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany.
Eccl Mg1865 3:12  Fantatro fa tsy misy tsara amin’ ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.
Eccl Mg1865 3:13  Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’ Andriamanitra izany.
Eccl Mg1865 3:14  Fantatro fa izay rehetra ataon’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon’ Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
Eccl Mg1865 3:15  Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin’ Andriamanitra indray izay efa lasa.
Eccl Mg1865 3:16  Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro: ny fitoeran’ ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran’ ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
Eccl Mg1865 3:17  Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
Eccl Mg1865 3:18  Hoy izaho anakampo: Noho ny amin’ ny zanak’ olombelona izany, mba hizahan’ Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
Eccl Mg1865 3:19  Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’ olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin’ izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ ny iray no ahafatesan’ ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’ izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
Eccl Mg1865 3:20  Izy rehetra samy mankamin’ ny fitoerana iray: avy tamin’ ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray izy rehetra.
Eccl Mg1865 3:21  Iza no mahalala ny fanahin’ ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ ny biby, na midìna amin’ ny tany izy, na tsia?
Eccl Mg1865 3:22  Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ ny olona amin’ ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?