Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next
Chapter 31
Exod Mg1865 31:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exod Mg1865 31:2  Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;
Exod Mg1865 31:3  ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
Exod Mg1865 31:4  dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
Exod Mg1865 31:5  sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
Exod Mg1865 31:6  Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
Exod Mg1865 31:7  dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
Exod Mg1865 31:8  sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
Exod Mg1865 31:9  sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
Exod Mg1865 31:10  ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,
Exod Mg1865 31:11  ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masìna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.
Exod Mg1865 31:12  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exod Mg1865 31:13  Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.
Exod Mg1865 31:14  Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Exod Mg1865 31:15  Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
Exod Mg1865 31:16  Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
Exod Mg1865 31:17  Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
Exod Mg1865 31:18  Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.