Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next
Chapter 4
Exod Mg1865 4:1  Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
Exod Mg1865 4:2  Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
Exod Mg1865 4:3  Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
Exod Mg1865 4:4  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin’ ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
Exod Mg1865 4:5  mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Exod Mg1865 4:6  Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
Exod Mg1865 4:7  Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin’ ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
Exod Mg1865 4:8  Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon’ ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ ny famantarana aoriana izy.
Exod Mg1865 4:9  Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ ny tany maina.
Exod Mg1865 4:10  Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
Exod Mg1865 4:11  Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan’ ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
Exod Mg1865 4:12  Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
Exod Mg1865 4:13  Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
Exod Mg1865 4:14  Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
Exod Mg1865 4:15  Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
Exod Mg1865 4:16  Ary izy hiteny amin’ ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon’ Andriamanitra aminy.
Exod Mg1865 4:17  Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
Exod Mg1865 4:18  Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’ i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’ i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
Exod Mg1865 4:19  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
Exod Mg1865 4:20  Dia nalain’ i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ ny tany Egypta izy; ary nentin’ i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’ Andriamanitra.
Exod Mg1865 4:21  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
Exod Mg1865 4:22  Ary lazao amin’ i Farao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
Exod Mg1865 4:23  koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
Exod Mg1865 4:24  Ary nony tany an-dalana tao amin’ ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
Exod Mg1865 4:25  Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ ny fandatsahan-drà ianao.
Exod Mg1865 4:26  Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin’ ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
Exod Mg1865 4:27  Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Mandehana hitsena an’ i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra, dia nanoroka azy.
Exod Mg1865 4:28  Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’ i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
Exod Mg1865 4:29  Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Exod Mg1865 4:30  Dia nolazain’ i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, sady nataony teo imason’ ny olona ny famantarana.
Exod Mg1865 4:31  Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’ Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.