Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 18
Exod Mg1865 18:1  Ary efa ren’ i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan’ i Mosesy, izay rehetra nataon’ Andriamanitra ho an’ i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran’ i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta.
Exod Mg1865 18:2  Dia nentin’ i Jetro, rafozan’ i Mosesy, Zipora, vadin’ i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
Exod Mg1865 18:3  ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho;
Exod Mg1865 18:4  ary Eliezera kosa no anaran’ ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan’ ny sabatr’ i Farao.
Exod Mg1865 18:5  Dia tonga Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak’ i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra:
Exod Mg1865 18:6  dia nampilaza tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin’ ny zanany roa lahy koa.
Exod Mg1865 18:7  Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day.
Exod Mg1865 18:8  Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ ny rafozany izay rehetra efa nataon’ i Jehovah tamin’ i Farao sy tamin’ ny Egyptiana noho ny amin’ ny Isiraely, mbamin’ ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen’ i Jehovah azy.
Exod Mg1865 18:9  Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’ i Jehovah tamin’ ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana.
Exod Mg1865 18:10  Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tànan’ i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin’ ny Egyptiana.
Exod Mg1865 18:11  Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’ izay zavatra nentin’ ny Egyptiana nirehareha tamin’ ireny.
Exod Mg1865 18:12  Ary Jetro, rafozan’ i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin’ ny rafozan’ i Mosesy teo anatrehan’ Andriamanitra.
Exod Mg1865 18:13  Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’ i Mosesy ny olona hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva.
Exod Mg1865 18:14  Ary rehefa hitan’ ny rafozan’ i Mosesy izay rehetra nataony tamin’ ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin’ ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva?
Exod Mg1865 18:15  Ary hoy Mosesy tamin’ ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin’ Andriamanitra.
Exod Mg1865 18:16  Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’ Andriamanitra sy ny lalàny.
Exod Mg1865 18:17  Ary hoy ny rafozan’ i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
Exod Mg1865 18:18  Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao.
Exod Mg1865 18:19  Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan’ ny olona amin’ Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’ Andriamanitra;
Exod Mg1865 18:20  ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony.
Exod Mg1865 18:21  Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
Exod Mg1865 18:22  Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo.
Exod Mg1865 18:23  Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny taniny.
Exod Mg1865 18:24  Dia neken’ i Mosesy ny tenin’ ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy.
Exod Mg1865 18:25  Dia nofidin’ i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.
Exod Mg1865 18:26  Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’ i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.
Exod Mg1865 18:27  Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin’ ny taniny izy.