EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 10
Exod | Mg1865 | 10:1 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; | |
Exod | Mg1865 | 10:2 | ary mba holazainao ho ren’ ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 10:3 | Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy. | |
Exod | Mg1865 | 10:4 | Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin’ ny taninao rehetra Aho rahampitso; | |
Exod | Mg1865 | 10:5 | dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha; | |
Exod | Mg1865 | 10:6 | dia hameno ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan’ ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr’ izay andro niainany tetỳ ambonin’ ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’ i Farao. | |
Exod | Mg1865 | 10:7 | Ary hoy ny mpanompon’ i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta? | |
Exod | Mg1865 | 10:8 | Dia nisy nampiverina an’ i Mosesy sy Arona hankao amin’ i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an’ i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha? | |
Exod | Mg1865 | 10:9 | Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman’ osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 10:10 | Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin’ ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo. | |
Exod | Mg1865 | 10:11 | Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an’ i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan’ i Farao. | |
Exod | Mg1865 | 10:12 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ ny tany Egypta ny tananao hihavian’ ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ ny tany, dia izay rehetra sisan’ ny havandra. | |
Exod | Mg1865 | 10:13 | Dia nahinjitr’ i Mosesy tambonin’ ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. | |
Exod | Mg1865 | 10:14 | Ary ny valala niakatra ho amin’ ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany. | |
Exod | Mg1865 | 10:15 | Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ ny tany Egypta rehetra, na tamin’ ny hazo, na tamin’ ny anana tany an-tsaha. | |
Exod | Mg1865 | 10:16 | Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. | |
Exod | Mg1865 | 10:17 | Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja. | |
Exod | Mg1865 | 10:19 | Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza. | |
Exod | Mg1865 | 10:21 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. | |
Exod | Mg1865 | 10:22 | Dia nahinjitr’ i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ ny tany Egypta rehetra hateloana, | |
Exod | Mg1865 | 10:23 | koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’ izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ ny fonenany. | |
Exod | Mg1865 | 10:24 | Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an’ i Jehovah; fa ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa. | |
Exod | Mg1865 | 10:25 | Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an’ i Jehovah Andriamanitray; | |
Exod | Mg1865 | 10:26 | ary ny omby aman’ ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an’ i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an’ i Jehovah mandra-pahatonganay any. | |
Exod | Mg1865 | 10:28 | Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin’ izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao. | |